<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jeso Kristy be fiantra !
 Mba Jereo izahay
 Very amin'ota.

[V2]
 Hianao Mpiandry tsara,
 Raisonao izahay
 Very toy ny ondry.

[V3]
 Fombanay ny tia ratsy,
 Mba ovay ho vaovao
 Ny fonay izay ratsy.

[V4]
 Zazabodo sy mahantra,
 Izahay raha atý,
 Tsy mba manan-kery.

[V5]
 Hianao no Vatolampy,
 Tanjakay, Avotray,
 Hery sy Ampinga.</lyrics>
<title>Jeso Kristy be fiantra FFPM450</title>
<hymn_number>450</hymn_number>
</song>